Fiangonana
miombon-kevitra amin'ireo fitsipika enina izay manamarika
ara-tantara ny ijoroan'ny "Réforme" izy.
An'Andriamanitra tokana irery ihany ny voninahitra
Tsy misy izay "masina" na "tanteraka" ankoatran'Andriamanitra.
Ny Protestanta dia tsy manaiky ny hoe maha "tanteraka" izay
asa vitan'olombelona. Amin'ny anaran'ilay atao hoe
Andriamanitry ny fahafahana dia mitory ny fahafahan'ny
olombelona tsirairay avy eo amin'ny fomba fisainany
sy fieritreretany izy.
Ny “Fahasoavana” tokana irery ihany
Ny Fahasoavana voaray dia fitiavan'Andriamanitra maimaimpoana
ho an'ny zanak’olombelona, tsy misy takalo ary hatrany
am-piandohan’izao tontolo izao. Na misy fahamendrehana
na tsia noho ny asa izay vitany, efa voavonjy tsy
ampisalasalana izy. Izany fitokian’ Andriamanitra
azy izany ary koa ny fitiavany azy tsy hita lany
dia mahatonga ny olona handray andraikitra eo anivon'izao
tontolo izao sy ho tia ireo mpiarabelona aminy.
Ny “Finoana” tokana irery ihany
Ny Finoana dia ateraky ny fihaonan’ny zanak’olombelona
amin’Andriamanitra. Ny Finoana dia mety ho fiandohàna
na fiafaran’ny làlana iray, marina fa sarodiavina,
nefa azo izorana tokoa.
Ny Baiboly tokana irery ihany
Ny Baiboly no zavatra iray hany manam-pahefana eken’ny
Protestanta ary heveriny ho boky mirakitra ny tantaran’ny
jiosy sy kristiana te-hiray amin’Andriamanitra. Ny
fahatakarana amin’ny andro ankehitriny izay voambaran’ny
Baiboly dia valin’asan’ireo fiangonana izay miara-mandalina
izany eo anivon’ny fanajana ny fahasamihafana.
Fiangonana manaiky ny fanavaozana hatrany
Ny Fiangonana protestanta dia mamory ireo olona izay
manaiky sy mahatsapa ny fiombonany amin’Andriamanitr’i
Jesosy Kristy, indrindra amin’ny alàlan’ny
batisa sy ny fandraisana ny Fanasan’i Tompo. Tsy
mitsangana ho mpanelanelana an’ireo mpino amin’Andriamanitra
izy. Amin’ny maha fikambanan’olombelona azy dia tsy
mitsahatra ny mivoatra hatrany miaraka amin’ny tontolo
iainana izay manodidina azy izy.
Ny Saserdaosy oniversaly
Ny tsirairay avy izay vita batisa dia samy manana anjara
toerana mitovy ao amin’ny fiangonana, na laíka
izy na pastera. Ny pastera dia sanatria tsy olona
avahina na mihavaka amin’ny maro fa kosa olona izay
nahazo fihofanana ara-teôlojika ary noho izany
dia afa-mitarika ny fikambanan’ny mpino. Ny fijoroana
ho vavolombelon’ny finoana sy ny fandraisana anjara
amin’ny fampandrosoana an’izao tontolo iainana izao
izany no andraikitra tsy maintsy raisin’ireo Protestanta
rehetra mpikambana ao amin’ny Fiangonana. Amin’ny
maha fikambanana voafehin’ny lalàna 1905 azy,
toy ireo Fiangonana “Réformée” rehetra
eto Frantsa, ny fiangonanay dia voatantana amin’ny
alàlan’ny fifidianana sy ara-pomba demokratika.
Izany fitantanana izany dia mamela azy hahaleo tena
eo anivony samy irery nefa koa hiray hina amin’ireo
fiangonana hafa toa azy : izay no antsoina hoe fandaminana
ara-tsinodaly.
MANDÀLA
NY FIFAMPIKASOHANA AMIN’NY HAFA
|
Amin’ny maha vitsy isa an’ireo mpikambana
ao aminy, dia miaina arakaraky ny tsirairay avy ny fiangonana.
Mandray sy manaiky ny tsirairay avy amin’izay maha
izy azy izy
N’inon’inona ny làlana nombany teo amin’ny
fiainana, ny batisa izay noraisiny, na vita batisa
izy na tsia, na toa inona na toa inona ireo fanontaniana
manitikitika azy ary apetrany momba ny fiainana,
ny fiarahany ara-nofo, ny fihaviany sns ...
Miezaka
ny manampy ny tsirairay avy amin’ny làlan-kombany
eo amin’ny fiainany manokana sy amin’ny lafiny
ara-panahy izy
Ireo ankizy kely sy ireo tanora vatombatony
dia miara mianatra ny Soratra Masina ao amin’ny
kilasy tokana
antsoina hoe “KT inter-âge”. Ireo ray
aman-dreniben’ny fiangonana dia voara-maso
avokoa.
Mamela toerana lehibe ho an’ny famokarana artistika
koa izy
Ao ireo fisehoana matetika ataon’ireo izay tanora
tokoa nefa manan-talenta ara-mozika. Ary ny fankalazàna
an’Andriamanitra dia tsy ho lavorary toy izao
raha tsy eo ireo mpitendry orga izay an-tsitrapo
no tonga
mifandimby isak’alahady sy ireo izay manan-talenta
ara-mozika manafàna ny fotoam-pety lehibe.
Miezaka ny fiangonana hanao izay mety hahasoa
ny hafa ao amin’ny fivondronana misy azy, toerana izay
ifamaofaozana vahoaka tena samy hafa ara-koltoraly.
Faritra
fandalòvana
Ny fiangonanay dia mitoetra ao amin’ny faritra misy
an’ireo gara roa (“Gare de l’Est” sy ny “Gare du
Nord”), izany hoe toerana andalòvan’ireo
mpitsangatsangana sy olom-pirenena samy hafa. Amin’ny
fotoam-pety lehibe dia atao amin’ny fitenim-pirenena
maro ny fankalazàna an’Andriamanitra.
Faritra voamariky ny fahasamihafana ara-pivavahana
sy ara-kolotsaina
Tamin’ny alàlan’ny fiangonana no niandohan’ireo
fihaonana ho an’ny fandriam-pahalemana any Moyen Orient
izay nahavory ireo antokom-pivavahana samy hafa. Ny
sampana miandraikitra ny fifanankalozana amin’ny antokom-pivavahana
hafa dia mandahatra fihaonana amin’ireto izay voalaza
ary manohana an’ireo antoko izay vitsy an’isa (toy
ny “hindouiste”) amin’izay ezaka ataony hahalavorary
ny fiarahany miaina amin’ny hafa eto an-toerana.
Faritra misy ny saramba be
Indraik’isam-bolana dia misy ny fandraisana an’ireo
fianakaviana niala tany amin’ny taniny ka mangata-pielofana
eto Frantsa, amin’ny fiaraha-mihinana ody am-bavafò kely.
Io toe-javatra io dia anisan’izay vaindohan-draharahanay.
Miezaka izahay ny manampy an’ireo tsangan’asa protestanta
(Maison Verte, Armée du Salut ...) izay mitondra
fanampiana ho an’ireo izay ory indrindra, amin’ny
alàlan’ny famoriana boky, fanafody, akanjo.
Ny sampana daorikasin’ny fiangonana dia manangona
ireo fanomezana ara-bola mba ho enti-manohana an’ireo
fikambanana mikarakara an’ireo izay vao nivoaka avy
any am-ponja, tsy an’asa, mpivenjy tsy manan-kialofana,
CIMADE sns ...
RAHA TE-HIFANDRAY AMINAY
EGLISE REFORMEE DE LA RENCONTRE
Eglise Réformée de la Rencontre
|